Olon'ny fo (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ matoa ianao nitady fitia any an-kafa
Satria efa ela niriana, efa ela niandrasana
Kanefa ny eritreritrao, mbola aty Amiko
Satria ianao tia ahy, nefa tsy an-tsaiko

_ naleonao nitady fitia tany an-kafa
Mba hanolo lay fonao efa naratra
Fa lay fanantenana mbola voatazona
Hoe isika roa no hiaraka hanonja

_ matoa ianao tsy niarahako nefa
Noho izaho mbola anatin'ny sedra
Nefa ihany koa, tsy eken'ny saiko
Ny hoe ianao, no ho lasa silam-panahiko.

_ koa mandehana aloha ry namana
Olon'ny fo, mbola maniry any an-kafa
Lay naman'ny foko, naniry ny ho ahy
Lay naman'ny foko, lay silam-panahy
--------
Rohy:
915 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103