You are here: home > Vetso

ETO... - VINA

Azo vakiana?

Eto no tsotsorimamba
Handrendrehako ny fo
Miari-pery
Samirery
Nefa mbola miandrandra
Ilay notiavina taloha.

Eto ihany koa angamba
No handevenako ny roa
Fa fony isika
Nangatsiaka
Dia niara-niombon-damba
Na ny nofo na ny fo.

Eny! Eto andavamamba
No handefonako ivoho
Izay volana mitranga
Ka misarika azy hifoha.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

03314 (20/06/2017 05:52:02)

ETO no andraisako anao ho namana
eto amin'ny vetsovetra,VINA a! fantatrao 'zaho

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : VINA

Nampiditra : tala vina rakoto
Daty : 19/06/2017
Mpamangy : 649
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

SARY TENY
POETA IANAO
ADIN-TSAIKO