You are here: home > Vetso

POETA IANAO - VINA

( Randja Zanamiohatra)

Eny ianao tokoa
no kintana tsy ravan'
ny andro tafafoha,
... vola-manazava
ny alina miandoha.

Taminao ny atidoha
ary nentinao nihava
ny tany namafazam-boa,
... tononkira nampivava
ny rindrin'ny tontolo roa.

Tononkira ihany koa
no netinao nandrava
ny rindrim-ben'ny fo,
... Fanahy nanavatsava
ny lalam-ben'ny "roa".

Sokajy : Fiderana

Mombamomba

Mpanoratra : VINA

Nampiditra : tala vina rakoto
Daty : 06/03/2018
Mpamangy : 221
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

ETO...
ADIN-TSAIKO

Hametraka hevitra

Midira aloha