You are here: home > Vetso

Misy Andrimanitra. - Vivaldi

   Noharoharoin'ny fiainana mivadika,
Nanary ny avo noheverina ho toky.
  Noesoesoin'ireo avandavitra ka,
Nanadino ireo tenipikasana navelan'ilay Zoky.

Nesoriny antsaina f'izy  zava-boary,
Na ory na salama dia namboarin'Janahary.
Nanan-tena ho zavatra ka nitsambiki-nikipy,
Very lalina tokoa vao njay tonga saina.

Ry olombelona sakaiza aman-kavana malala,
Ao tokoa ilay Andrianamitra tsy manantsahala.
Ka na olana miseho eny vetsopifalina,
Andrandrao lanitr'io zay mitondra fitahiana.
  Vivaldi....

Sokajy : Fampaherezana

Mombamomba

Mpanoratra : Vivaldi


Nampiditra : vivaldi18
Daty : 25/07/2018
Mpamangy : 282
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

RY NENY Ô!
Zay lay fiainana!
Faly mahita anao

Hevitra mandeha

vivaldi18 (25/07/2018 16:20:50)

Never give up!

Hametraka hevitra

Midira aloha