You are here: home > Vetso

Zay lay fiainana! - Vivaldi

Miposaka ny andro
F'efa lasa izay ny haizina,
Ka miseho ngiah masoandro,
Izay hery andrarezina.
Injao mibaby ny adidy  miseho koa ny andraikitra,
Hoan'ny olona rehetra,na akifika tsy laitra.
*    ***  *** ***   *
Ka migaina ny hafanana, izay soloan'irifiry,
Foan'olona antanana,  ee mangina izato izy.
Tena tsemboka ny tena,
Ha!Torovana ny saina,
Ka fo  manaintaina, hanatrarana izay tanjona kasaina.
*  ***  ***  ***  *
Fiainana izany,ry havako malala ka sarotra ialana,
Raha misy koa ny tany,angamba izay hatrany ilay lalàny,
Tsy falin'ny soa miantefa ihany mety hoavy koa ny ratsy.
Tafahoam-pifalianao anio ry sakaiza, mety hisoloan-karavasy.
  *  ***  ***  ***  *
Mahaiza ary mionona f'efa io aloha ny eto.
Ka rosoy fifalina hatrany f'aza dia lanin-tsetosento.
Koa mitraka amizay ar e! banjino ny ho avy,
Ilay tompon'ny zavatra rehetra anie.
Ahatsiaro antsika mianakavy.
Vivaldi....

Mombamomba

Mpanoratra : Vivaldi


Nampiditra : Laulne63
Daty : 27/07/2018
Mpamangy : 481
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

RY NENY Ô!
Misy Andrimanitra.
Faly mahita anao

Hevitra mandeha

Laulne63 (27/07/2018 06:03:24)

Never give up

Hametraka hevitra

Midira aloha