Aleoko ihany !! (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Latsa-tsento aho mamdinika
Ireo lasa niarahana
Tantara saiky nampivika
Nefa tsy azo tanterahina
Dia manohy an'eritreritra
Hoe mety nanao ahoana?
Raha ny foko no niantehitra!
Mety ho faly sa nisaona?
Inoako nefa fa ho ratsy
Raha nitohy ireo tandrevaka!
Tsy ela akory fa atsy ho atsy
Izaho sy ianao ivalaketraka!
Ka ho latsa-nenina tsy zaka
Tsy afa-mihemotra intsony
Nanantena ampiorim-paka
Nefa indrisy lonilony
Ka aLeokO ihany zao
Aleo ijanona ho angano
Ny farateniko aminao
Maharena tokatrano

Vo.sedra 20/jul/2014 21:27:55
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1254 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 27/07/2015 10:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142