niandry (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela no nandrasana
Fa angamba tsy hiverina
sa nanidy fo toa fasana hiandry taona itsngerina
Mbola tsy manangasanga
Ampara vohitra eny akory,
Sa ve nilangalanga
Ka reraka any dia natory?
Ny andro anefa miha hariva
Ny haizina efa tafalatsaka
Efa injao ny feon'antsiva
Mameno ny alina hisasaka
Izaho iky toa manjona
An'eritreritra manonja
Anaty fo babangona
Fa ny adintsaina no mafonja
Mandefa lavitra ny saina
Mihevitra izay misy azy
Nef izy tsy antenaina
Mbola revo manala azy
Aleo ny maso no akipy
Ahazoana hery vaovao
Fa raha fitia mora atsipy
Rahampitso dia ahita vao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1316 1
Mpakafy: vo.sedra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 17/04/2015 04:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146