Tambitamby ...! (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ho fihiniko zany havako izany
Andeha iaraka igoka ny hasambarana eto an-tany
Ifampizara tambitamby ifanolotra ny mamy
Ny alahelonao esory,alaviro ny tomany
Andeha izaho sy ianao hakamamy ny fitia
Hampiombona ny ventso ka iara ankafy
Ireo tokiko hatrizay mbola averiko amindry
Izaho ho tia anao foana,ary ho mandrakizay doria
Ty mba misy faniriko mba ekeo raha azo atao
Etsy aloha orohiko izato molotrao
Dia andeha isika iaraka hanao kindriandriana
Andao zany malalako ho etsy ambonin'ny fandriana!

Vo.sedra 21/jul/2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1740 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 27/07/2015 11:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096