Toa ... (vo.sedra )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanaitra ahy ny resakao
Toa mandrangitra,misangy
Toa milaza hoe andao
Hifampizara tambitamby
Toa mandrehitra hetaheta
Anaty nofy tsy hay takarina
Tsotra nefa avolenta
Sady sarotra fantarina
Toa misarika ny saina
Hankafy ny tsy hita maso
Ambony tany karakaina
Ravarava'ny akaso
Mampanonofy zava-tsoa
Mbola tsy nisy teto an-tany
Toa milaza teny roa
Dia 'lay teny tena mamy!!
...
Vo.sedra 16/jul/2015 21:49:44
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1230 6
Hevitra mandeha
endrika01 ( 12/08/2015 12:29)
tsy ratsy kosa ilay ventso!
nalsonrazakariasa2015 ( 24/08/2015 05:15)
tena tsara le izy!!!
nalsonrazakariasa2015 ( 24/08/2015 05:16)
tena tsara le izy!!!
Malagasy1 ( 08/09/2015 20:47)
Toa milaza teny roa
Dia ilay teny mamy
nandrasako ho tamy
nefa toa tazominao ampo
sa tena sangisangy ihany tokoa
te hino aho nefa koa misalasala
tsory amiko ihany
fa izaho mba te hahalala
aza avela hitaintaina
hitondra fitia mody ve?
sa hiala maina

PETAKASOA

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : vo.sedra
Nampiditra : vo.sedra
Daty : 27/07/2015 11:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097