VAVAKA HO AN'I MISA (voatsinampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA HO AN'I MISA

Tompo o!
ANDRIATIANA Nirison Misaela
efa Anao izy iny k'aza avela
f'hotehirizinao hatrany ilay anarany
hanangananao azy any am-parany

Ao aminao no hiala sasatra ny fanahiny
ny diany teto tsy ho very amin'ny nahiny
'zay nandehanany rehetra tam-pahitsiana
raketo amin'ny Bokin'ny fitadidiana

Ireo zanay sy ny vadiny aza ariana
fa Ianao no hiahy azy na rahoviana
Teny fikasanao izany ka takiana
ka moa tsy hotovinao hatrany aoriana?

Ka miala sasatra ianao re Razandry
ho avy ny andro hifanolotra ny sandry
hiakiakam-pifaliana tsy ifandrenesana
satria ho resy amin'izay lay fahafatesana
Amen
--------
Rohy:
858 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136