TENY IRAY (VOLAFIHA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô!
Efa mba impiry moa ity izaho no nivoady
Fa vonona hiady?
Nefa hatramin’izao
Diso fantatrao
Tsy arakarak’iny
Mainka maro tsiny
Mainka toa miavosa
Ireo ratsiko tontosa.

Ifonako ry Ray.
Anio meteza indray
Handio ireo fahotako,
Hamafa ny hadalako.

Ray ô!
Efa impiry impiry koa ity izaho no nikasa
Fa vonona hiasa?
Nefa hatramin’izao
Diso fantatrao,
Tsy misy fiezahana
Mainka mampahazo vahana-
-Ny ratsy hanao ny asany;
Ny tenako aza lasany.

Ifonako ry Ray.
Meteza re handray
‘Ty ondry mafy loha,
Tsy mety mankato.

Ray ô!
Fantatro ihany anie fa tsy tianao ny ampitso lava,
Olon-tsy maafa-bava, sady sarotra tenenina…
Ankehitriny aho manenina…

Ray ô!
Manonona “teny iray” raha mbola sitrakao
Dia ho sitrana aho.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
2001 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 11:26
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162