Ny marina tsy maty (VolaSarik)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanontaniana mameno ny saina
Tomany, alaelo mameno ny fo
Fahatsiarovana mankarary ny aina
Izay sisa miraikitra an-doha




FANONTANIANA
…!Fa dia nahoana loatra re
Nahoana no dia sahinao ny nanao ahy toy izao?
Mitaraina izany foko, feno ratra be dia be
Dia tsy ho ahy intsony tokoa mantsy izato fonao

Inona ary ny nataoko, taiza ny fahadisoako?
Aiza ho aiza ilay ts nety? mba valio hitalahoako
Fa izao ihany dia ho ahitsiko, tsy angatahako andro
Raha izay no mety ho lalana ifoazako anilanao isan’andro

Nahoana ianao no tsy miteny, maninona no tsy mamaly?
Sa efa feno fahasambarana, tsy mahatsiaro ahy lavitr’any?
Ka manao ahy ho naman’ny efa lasa?
Irony fandalavona izay tsy hita akory dia voafafa



VALIM-PANONTANIANA
Ho lazaiko anao ny marina
Raha izay no tianao fantarina
Za efa manan’olon-tiana
Anefa aza dia hitomaniana

Tiako izy ary mamiko efa hatrizay
Ary fony isika niaraka, nisy ady kely taminay
Ka dia izao nifamerina, satria tsy mifankafoy
Raha zoviana ny fitiavanay dia efa lasa rohy

Koa miala tsiny aho raha hilaza izao teny izao
Ifonako raha mafy anefa tiako ho fantatrao
Fa ireny vita ireny toa sangisangy ihany
Kilalao angamba hoy aho fa tsy fitiavana izany
--------
Rohy:
Sokajy : La franchise
2034 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VolaSarik
Nampiditra : VolaSarik
Daty : 06/03/2010 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134