You are here: home > Vetso

Mandrampiavin'ny volana a - Vonjisoa Andjanirina

Mandrampiavin'ny volana alina
No nanantenako ny tarany ho avy
Sy nitehirizako andavaka lalina
Ny alahelon'ny foko manembona azy.

Very ny toky nianteheran'ny foko
Dia lay andry niankinany mba tsy ho lavo
Ka toa tsy haiko fa dia mitoloko
Mitsiriritsa ny tafakatra avo

Ny tanjona iriany tsy tratrany akory
Dia tovona hanampy ilay efa voajoro
Fa nisy hery hafa izay nampahory
Nijery naneso ka dia nampikoro

Kanefa mahery ny fo tato anaty
Hanana hery sy tanjona vao
'Lay fitiavana lasa ho soloina malaky
Ho taitra tsy rendrika anaty aizina ao

Tsy hilavo lefona andohan'ny ady
Ka hiozom-pitia hoe tsy hitia intsony
Vonona handroso ka hiezaka hitady
'Lay fanantenana amin'ny hery efa vory.

    Vonjisoa ANDJANIRINA

Hametraka hevitra

Midira aloha