Tsy ianao no ory sy miaritra (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ianao ory ry miaritra ny ngidiny
Tsy ianao mihitsy akory no lazaina ho farahidiny
Tsy ianao manao ny marina nefa indrisy fa sahirana
Na ianao te hiarina nefa ts'isy hamikirana

Tsy ianao manjoni-dava f'efa reraky ny tolona
Na ianao mikombom-bava noho injay enjehin'olona
Tsy ianao mamitsapitsaka matim-bono sy mijaly
Na ianao matin-kitsaka nefa tsy afaka mamaly

Tsy ianao mitoka-monina sy lazaina ho mangingina
Na tsy tian'ny mpiara monina fa hoe fara-fahoriana
Na ianao misento lava tsy mba manankitarainana
S'miandry rahona hisava f'efa reraky ny fiainana

Fa ny fara-fahoriana dia ireo manam-pahefana
Izay mampiasa habibiana fa ambonin'ny lalana
Satria senton'ny mpitolona no mba hiram-pivavahany
Ary ranomason'olona no hira fitsinjahany

Ireo no fara fahoriana tsy nahita fiadanana
Ireo no andeha hitomaniana f'efa maty ampitsanganana
Maty fa tsy vazivazy vatana mijoro sisa
Ka inoana fa tsy ho azy izany atao hoe "PARADISA".




* * * *
--------
Rohy:
693 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119