You are here: home > Vetso

Fitia - Vonjy

« Fitia »

Teny mora nefa sarotra
Tsy mora rafitra
Ny hoe mitia
Toa mora lazaina izany

Nefa kosa tsy ny olona rehetra
No afaka mitia
Satria tsy voafetra
Izany hoe tia

Vonona ny hiaraka
Na mafy na sarotra
Ka tsy hifandao
Satria tiako ianao

Avy amin’ ny Ray
Izany fitiavana izany
Ka tsy ho lo mandrakizay
Satria velona indray

Iriko ianao hitia
Ry namako malala
Ka mahereza ary
Fa ho avy ny anjara

Izao no vavako
Ny mba hitia anao ry mamiko
Ka tsy haditra intsony
Satria fenonao ny foko


Sokajy : FITIAVANA, Mariazy, Namana

Mombamomba

Mpanoratra : Vonjy

Nampiditra : mini
Daty : 24/07/2004
Mpamangy : 2689
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

IANAO
Anjarako
Dada

Hametraka hevitra

Midira aloha