You are here: home > Vetso

Caramail - Voromailala

Tendrin-tanana roa maromaro
Renisoratra sy zanany mifangaro
No namoahana ny tao anaty
Tamin'ny alalan'inty tsaty

Misalotra anarana vatomamy izy izay
Misarika ireo malagasy erantany hifandray
caramail, izay no fiantsoana azy
Mamy tsy foy nefa mahavoasazy

Ao ny firesahina ampahibemaso
Hamoronana sangy baraingon' ankaso
Ao koa anefa ilay  tsy hita hotarafina  
Hanerena ny anaty hivoahan'ny miafina

Anarambositra no hoentin-mitantara
anatin'ny efitra an'ilay  gasikara
Ary samy mitrotro ny lokony avy
Manga ny lahy , mavokely ny vavy

Hevitra mandeha

nata (23/12/2003 19:59:30)

inn ary an

voromailala (23/12/2003 21:09:52)

hihihi

Crionlas (03/08/2009 13:13:35)

Milay K!

Hametraka hevitra

Midira aloha