You are here: home > Vetso

Fitia antsokosoko - Voromailala

Fitiavana mifono
Ao anaty tsy mivoaka
Kanefa toa mandoro
Izato foko ka nitroatra

Nofonosina satria bedy
Hafenina amin'ny maro
Ireo adalana sy rediredy
Tsy hay hatao hatsaharo

Jery kely izaho sy ianao
No mampiaramitempo ny fo
Te hanao ny tsy fanao
Kanefa miandry kely aloha




Hevitra mandeha

Oully (24/01/2004 15:26:31)

Mahafinaritra ahy ny tonokalonao.
Misaotra.

voromailala (24/01/2004 22:57:41)

Misaotra an'i Oully amin'izany teninao mamy zany.

Crionlas (03/08/2009 13:09:45)

M touche b le poem fa felicitation!
Tsara b!
Merci.

Hametraka hevitra

Midira aloha