You are here: home > Vetso

Fitia tsy mety lany - Voromailala

Azo vakiana?

Raha mibanjina iny lanitra  iny  aho
Dia lasa fisainana lava any aminao
Raha mba azoko hatao mantsy ny manoratra eny
Mba  hilazako  ny  ato  am-poko  tsy  voateny

Voasakan' ny  elanelan-tany
Ka faravodilanitra avy hatrany
No  tazana  raha  hitady  anao
Lavitra nefa akaiky ao anatiko ao

Toy ny fasika amonron-dranomasina
Ny  fiainan'ny  fitiavako  anao
Ka izay hatelin'ny rano lany hasina
Kanefa misy foana solony vaovao

Hametraka hevitra

Midira aloha