You are here: home > Vetso

Ilay rova - Voromailala

Harivarivan'ny ampitson'alahady
Ny teto andrenivohitra tamin'izay
Raha tsy ny volana dia mangadihady
Ilay lanitra miloko rano iray

Kinanjo niova ho mena
Toy ny volan-dririnina
Ka nampanontany tena
fa nan'in fa nan'in

Hay ny Rova no novangian'ny afo
Toa famangiana miendrika fiantsiana
Satria ny fefy no natao digan-tafo
Ka nahazo ny lapan'ny Andriana

Toy ny herikerika lasa tondra-drano
Ny firongatr'ilay fahavalo
Nifampirahaba tamin'ireo trano
Ka  niafara  tamin' Isalo

Toa zary loko mena sy mavo
No hany tazana ao andranon'anosy
Very ilay taratry  ny  avo
Nanjavona  toa lasa  nofinofy

Tsy zakan'ny teny hoe "very"
Ny zava-doza izay nitranga
Satria ny maso no voafery
Ka voatakona toy ny jamba

Hametraka hevitra

Midira aloha