Ny Ankehitriny Ihany (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ny Ankehitriny Ihany"

Aza mamiza-tena mitodika mijery ny lasa
Mahatsiaro ireo jaly maloto tsy voasasa
Na koa mamisavisa ny ampitso hovolamena
hiandradrana fatratra ilay fandresena

Fa ny ankehitriny ihany aloha banjinina
Na mamy na mangidy toa ny ravinkininina
Fa io no hivadika hanjary holasa
Ary koa fototr'ireo zay hokinasa


Fafao daholo ireo eritreritra misidina
Hadaboy amin'ny tany avelao hitsingidina
Aza avela mihemotra aza avela mandroso
Ny ankehitriny ihany no aoka hiroso


Raha misy filàna ny lasa na ny hoavy
Hindramo vetivetika fa sao mampatavy
Koa raha hefa izany dia miverena eto antany
Satria ny sarobidy dia "Ny ankehitriny ihany"

Voromailala (13 Aprily 2012)
--------
Rohy:
2383 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099