You are here: home > Vetso

Ny foko - Voromailala

Niniako  nosaromana  malaky
Ny fitempon'ny foko tao anaty
Isaky ny miresaka isika tato ho ato
Nefa nisy ihany ireo afaka nanako


Renao ihany izy ireny matetika
Na  dia  efa  niniana  nalentika
Satria ny boiboikan'ny ako
Dia tsy  mijanona  manako

Ka  tonga  izao  ilay  fotoana
Tsy hay intsony hoe nahoana
Fa tsy  voasaroko  intsony
Toy ny lanitra eny ambony

Novelesin'ny fitiavana ny foko
Nidobodoboka ery ka nandoko
Tao  antsaiko  ilay  sarinao
Lohatenin'ny nofiko lava zao

Hevitra mandeha

yonikafopl (29/05/2004 02:02:33)

Mahafinaritra be daholo ireo tononkalo nosoratanao.
Tsara fa tohizo.

Hametraka hevitra

Midira aloha