Ny Tempolin'ny Tompo (Voromailala)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa ianao marary
Dia noho ny fahotana
Matoa ianao mijaly
Dia ao anatinao satana

Koa diovy ny ao anaty
Araho vavaka sy bebaka
Hivoahan'ilay ratsy
Rehefa ramaka sy reraka

Hanjary hiverina hadio
Ilay Tempolin' ny Tompo
Ka aoka izay ary fadio
Ny saina ratsy sy maloto

Ny fihinanana sakafo velona
No ahavelona anao mandrakizay
Fa ny sakafo maty izay voatelina
Dia hamono anao rahatrizay

Tiavo ny namanao
Tahaka ny tenanao
Ny didy folo koa araho
dia ho sambatra ianao


Voromailala 27 Aprily 2012 23:00
--------
Rohy:
Sokajy : tsara - Fifaliana - Vavaka
2873 1
Mpakafy: herivola 915
Hevitra mandeha
badoul ( 29/04/2012 06:01)
amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014