Raha Te-Hotafita (Voromailala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny diploma eny an-tanana
Nefa toa tsy mety tafita
Ny fahaizana hanana
Nefa ny vola miharitra

Tsy lasa saina ve ianao?
Mahita olona manambola
Ambany fahaizana aminao
Toa mahaliana, mahasola

Raha ny fahaizana fotsiny
Dia tsy ahatafitanao velively
Fa ampio fampiarana sy mokony
Fa hody ventiny izy ireny

Ka anao ary ny safidy
Ho voninahitra sa ho Vola
Ireo niharetana ny 'ngidy
Hamerenana ireo sola
--------
Rohy:
1798 1
Hevitra mandeha
mimich ( 22/08/2006 05:41)
marina zany
tsy ratsy ilay hevitra ka
Crionlas ( 03/08/2009 11:23)
Fampiarana marina sisa!
Milay k
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107