Tsiambaratelon'ny fandresena (Voromailala)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanana "Tanjona" eo amin'ny fiainana
No torolanana ahitana ny aleha
Arahina 'drafitra hatao foto-pisainana
Hiforonan'ny lalana afaha-mandeha

Koa raiso ny lefona, raiso ny apinga
Aza matahotra miana-mamindra
Raha toa ka solafaka ka tafajera
Mitsangana malaky tohizo ny gera

Tsy ny tanjona tratra no sarobidy
Fa ny lalana vita nihareta-mangidy
Namolavola anao ho lasa olo-mpiady
Ka hivoaha ho anao foana ny vavahady
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
3494 1
Hevitra mandeha
hahah ( 05/02/2004 11:22)
Nanaitra ahy ity tononkalo ity fa maneho hatrany fa fianarana ny fiainana fa tsy misy zavatra tonga dia hay izany. Hita koa eto fa ny mpanoratra dia olona be herim-po.
Mahereza manohy izany àry ry Voromailala, ary mba ho fahavononana ho amin'ny tsara ihany anefa izany fa tsy ho fianarana ny ratsy, satria izany no mampandroso sy ilain'ny manodidina anao.
voromailala ( 09/02/2004 00:16)
Misaotra an'i hahah naneho ny heviny sy nahatsapa ny tiako lazaina ary mamporisika hanohy.
Ary marina mihintsy ilay hoe "ho fahavononana ho amin'ny tsara ihany".


Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103