You are here: home > Vetso

Tsy hiafiako - Voromailala

Noh o ny  fitiavana  matotra
No nahatonfa ahy hoy toy ny vero
Kanefa toa nitsahina sy nafaotra
Ka  nangidy  toa  ranon'afero

Mpanjaka angaha moa ianao
No manitsakitsaka toy ny mpanositany
Manao izany tiana hatao
Amin  'reo  izay nilefa  ho  ambany

Sao mihevitra ianao ry diso fiadidiana
Fa tsy manantsiny toy ny laona ny aty
Ka hitotoana zay mety akotri-pifaliana
Ka hijaly toy ny mpangataka sanatria

Rehefa mampifila ny ahy
Hitsoahako  malaky
Tsy hasiako hatsaram-panahy
Fa hatontoko dia vaky

Tsy asiako teny maro
sao lazaina vavan'ny tsy nahazo
Izaho koa tsy be kabaro
F'andana mandeha andana mahazo :-)



Sokajy : Ady, Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

Crionlas (03/08/2009 13:17:03)

Courage les e!

Hametraka hevitra

Midira aloha