You are here: home > Vetso

Voninkazo tsy manantsahala - Voromailala

Ireo  mpanala  aloha  dia  betraka
Tsy mahay mihonona sy mipetraka
Tsy mijanona ela fa miserana
Fitiavana  tsy  azo  ferana

Izaho kosa dia tonga tsy hanala
Na  koa  hoe  nedaha  hanadala
Fa hanorina  fihavanana mirindra
Tia mifanampy indrindra indrindra


Ny  an' ireo  olona  mpanala
Ny rano izay natsakaina
Dia nampitsiriana ireo malala
Izay nisy teo an-jaridaina

Tsy nolaniany ny fotoana
Tamin'ny fitadiavana voninkazo
Fa ny teo akaiky teo foana
No nataon'ny  solon'ny  malazo

Ny  ahy  kosa  ny  rano  natsakaina
Na dia mavesatra aza dia nozakaina
Mandrapahitako  ilay  voninkazo
Tsy matetika hita tsy matetika azo

Soa re dia mba ianao
Ilay voninkazo tsy manantsahala
Raha izy dia mba lazao
Fa efa miandry Voromailala

Hametraka hevitra

Midira aloha