VAHANDANITRA Jean (Yashro Hermance)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tantara maro,ireo nosoratany
namakafaka isan'andininy
fandinihana tsotra
izay nohalalininy
ny ataony kosa
tsy mba adinony
*
olona iray malemy fanahy
VAHANDANITRA tokana ihany no ahy
nanoratra ireo karazan-tantara
nametsovetso ny tiany hambara
*
andray!ty fahaizany mamoron-tantara!
lova tahiry sy tena tsara
natolony an-janany izay manam-panahy
tsy iza izany f'i Nata Ravah(zanany farany izay nandimby azy)
*
tsy nanadino na iza na iza
sarobidy ihany koa hatraiza hatraiza
betsaka anefa ireo mahalala
VAHANDANITRA mantsy tsy manan-tsahala
*
endrika maro ireo izay natao
ao ny fitiavana,ao kilalalao
ireo ala voly,sy ny fiainana
manitsy mananatra foto-pisainana
*
olon'ny kanto sy tsara karazana
fanomezana tsara,s'tsodranon-drazana
namela mamy,toy ny tantely
tsara tokoa tsaroana izy ireny
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
707 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Yashro Hermance
Nampiditra : Yashro
Daty : 10/12/2018 16:19
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009