You are here: home > Vetso

NY AMIKO SA NY AN'TOMPO - Ynovirahimam RANDRIAMALALA Ismaella et Elio

Asa re ry Raiko
Asa tokoa moa
Ekeko izao
Ny amiko sa ny anao?


Tiako ny tenako
Tiako ianao
Nefa ahoana tompo
No hitiavako ny hafa

Ny sitramponao ve ry tompo
No hanoratako izao
Tsy mendika ao re
Ka asakasakao!!!!

Eny ry jesosy
Eny hoy aho Tompo
Hanaradia anao
Ka ho afaka ve izaho?

Tompo o! ny finoako
Mihozohozo hatrizao
Tompo! o!! ny fitiavako
Tsy nisy tao aminao

Fahoraiana hatrizay hatrizao
No hiainako tamin izao tontolo izao
Ka inona no ataoko
Handroso sa hiverina aminao?

Ny olon tiako ve sa Ianao
Tompo o! avoty aho
Ianao ve no haraiko sa izy ?
Ny amiko sa ny an tompo???!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha