You are here: home > Vetso

ANGAMBA - ZAFY REARY

Angamba tsara raha ny marina
sy ny hita maso no ezahana fantarina.
Dia ataovy hoe; ampy izay. Ampy tena ampy.
Toa an-dRamasoandro ambony vatolampy.
Tsy mila hazavaina fa hazavana tenany.
Izay tinarany rehetra maneho ny hakanton'ny hamenany.
Angamba tsara ho'aho sns... etsetra.
Ny diampenin'Ilay Gasy hatsarana tsisy fetra.

Zafy REARY, Goma 25 desambra 2011

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha