FETIN'IREO ZAZA AN-TANY MIADY (ZAFY REARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETIN'IREO ZAZA AN-TANY MIADY
Jesoa o! Fetinao androany
Nefa ambadika any , inoako
Fa misy zaza vonto tany,
Midradradradra na toloko,
Satria nihangatra ilay vavaka;
Tsy mba azy ilay andro miavaka.
Tsy nihaino azy akory na nitopy maso kely,
Dia mipitrapitra irery ireto mason-jazakely.

Fa zaza an-tany miady, ankizy zatra feom-basy.
Tsy mahalala andro fety, nilaozan’Ikrismasy.
Dia hontsa tena hontsa, sady vonton’alahelo
Anaty fony kely ao ny iriny mamelovelo.
Nefa ny an-tanan-dRainy farantsa diman-jato kely.
Koa inona ny atokona hoan’ity noely?

Jesoa o! Jesoa! Aza mihangatra ianao
Izay mba fiadananao, iangaviako, mba zarao.
Aza adinonao mihitsy ireo zaza an-tany miady.
E! fa na andro fety ireo dadany mitady,
Satria faona hanina ao an-trano
Ka e! fa manganohano
Ireo ankizy fisa-kobo
Ny hanoanany mizivo.
Tsy mahalala hasambarana
Fa ianao no hamaharana.

Raha mba fantatrao mantsy ny hoe: tany miady –
Feom-basy sy tafondro,
Miaramila miforongo
Bala maro am-bozonana
Tsy mahalala ankohonana –
Dia angamba ianao mba ory,
Ary inoako fa tsy hatory.
Fa hiady mafy hoan’ireo zaza
Tomany sy midradradra.
Ory osa tsy mba faly
Ny andro fetiny mijaly
Jesoa o! Raha azo atao
Ny ranomasony fafao.
Zafy REARY, Goma 26 desambra 2011
--------
Rohy:
1191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ZAFY REARY
Nampiditra : zonia
Daty : 26/12/2011 10:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014