You are here: home > Vetso

IZANY VETSONY? - ZAFY REARY

IZANY VETSONY

Mangirifiry e! ny foko
Rehefa iny ianao fa lasa
Toa tsy tantiny mihitsy ilay velomanao
Mbola iny fa manasa
Izato masony hitopy indray mandeha
Amin’izato tsikinao
Ka  halahelo no injao mandondona anaty any:
Hirifirina tomany.
Izany vetsony? Fantaro.
Fa sary maro mifangaro.
Ny hany tokana mba tsapako;
Dia ny anilanao no andrasako.
E! … Raha mba afaka mijanona
Ilay tsikikrlinao maditra
Sady mampitsiriritra;
Dia sambatra ka sambatra,
Lazaiko tsy mihambatrambatra
Ilay foko tia anao. … Adala!
Ka te hamaky vala.
Fa sary maro mifangaro.
Izany vetsony? Fantaro.
Mangirifiry izany foko
Torovandrovana toloko
Fa nametraka veloma
Ilay akanjo menanao.
Nefa tsy orona midona.
Zafy REARY, Goma 22 desembra 2011

Mombamomba

Mpanoratra : ZAFY REARY

Nampiditra : zonia
Daty : 22/12/2011
Mpamangy : 644
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

ILAY FITIAKO
FETIN'IREO ZAZA AN-TANY MIADY
ANGAMBA
NYEJA ANDRIARY
MISY HANINA IRAY TE HITRAOTRA

Hametraka hevitra

Midira aloha