valin-kira Ho an'i ZOANA15 (Z'ANDRYGASY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy lay tazanao iny
Mieritreritra ny fahiny
Ny hiverina mbola tsy fantatra
Fa aoka aloha ho ankamatatra

Ny velomany kosa hoe ahoana?
Iny indray dia mandra-pihaona
Ny fahiny natrehina niaraka
Nifampizarana ny manta sy masaka
Tsy ianareo no hitsara
Fa avelao ho an'ny tantara

Aza manome tsiny
Raha nandalo izy tamin'iny
Satria ny fahiny
Tsy mba ankehitriny
Koa Zara izy raha nandalo
Fa maika, handeha hita rano
Handeha hitady vazo any ho any
Ka tsy hiverina raha tsy mahita an'izany

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1073 1
Mpakafy: zoana15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144