You are here: home > Vetso

Rova ankehitriny - Zavanah

Rova ankehitriny (4 marsa 2004)

Aiza moa ny Gasy no hitraka,
Ny mijery eny ambony eny izao mandratra
Aleony miondrika na dia be manaiky lava
Fa I Manjakamiadana ilay trano avo indrindra efa rava


Ontsa ny fo torotoro;
Fa rindrim-bato telo no sisa mijoro
Ô ry Rova ilay reharehanay fahiny
Indrisy fa tanàna haolo ankehitriny


Tanàna very sampy ka mila manova,
Ilay Rova efa rava tsy hita ho lova
Ry taranaka mandimby aza manana ahiahy
Fantaro ny tantara hanabeazanao Fanahy.

Mombamomba

Mpanoratra : Zavanah

Nampiditra : ysag
Daty : 11/03/2004
Mpamangy : 1503
Mankafy : 0
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha