ALIN'NY TOMANY (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALIN'NY TOMANY

Alin'ny tomany izay feno
rotsak`orana,
sy kotro-baratra arefotry ilay
fitiavatsika,
Izay naniry vetivety mbola tsy
ampy iraivolana.
Dia jaly sy tomany no anjara
paradisa.

Fantatrao fa mbola tena tia izany
foko,
dia nahoana re izaho no atao
tohizany?
Avelanao hangahiahy tsy tamby ny
toloko,
mameno ny kapoaka ilay alin'ny
tomany.

Tsy nahita tory izaho tamin'iny
alin'iny,
nivadibadika aho ka tsy
tafandrimandry,
hatreto aloha aho mbola tsy
hanome tsiny,
satria ny aty foko mbola sasa-
miandry.

Izaho kay naninona no
iavonavonao?
Tsy nisy inona nataoko ange tany
e!
Tafaverina eto izaho ankehitriny
izao,
dia nasetrinao ahy ilay alin'ny
tomany.

Ka atsihoatsy raha tsy zakako
intsony,
izao anaovanao ahy izao malala!
Dia tsy hitia anao intsony,intsony,
ilay foko volamena tsy voasanda
tsy adala.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 17/07/2017 19:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144