AZA MANANTENA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manantena ny hahita hasambarana raha ianjadian'ny alaheloko,
na koa fitia tonga lafatra raha nandratra ny aty foko.
Aza manantena ho tafita raha nanimba ilay hoaviko,
na koa paradisa raha afobe ilay nodiaviko.

Aza manantena tsiky raha tomany no niainako,
na koa biriky raha hanorona tokatrano.
Aza manantena intsony raha hitanao ity,
aza manantena akory hoe:"tononkalokon'ny fitia".

Toy ny fanjaitra ny famantarana andro ny fitsaikan'ny fiandrasako, indrisy fa ekena.
Rehafa ela ve ny ela ka tsy ho lany vatoaratra ilay foko nanantena.
Intsony anefa,ny saiko tsy nahazaka,
ka nanameloka anao hatramin'ny foko lalipaka.
Ny anjarako tsy miolaka ny ampitsoko tsara lamina,
ka aza manantena sy hiezaka ny ho tafarina.

Na namako aza ianao ka napitondra alahelo ny olo-tiko tany ho any,
dia aza manantena ny hahazo valisoa fa ny setriny tomany.
Na izany aza anefa dia mbola ombaiko teny mamakivaky lanitra,
handondo-tany fa ianao anie dia olona hijaly mandra-pahahantitra.

Tsy azonao hidovirana toy ny anjara sy ny lahatra iainatsika izao,
ny ozona ny olona marina ka mitandrema ianao.
Tsy azonao hifonana amin'ny lainga tsara lahatra na vava volamena,
ny ratsy izay natao dia aza manantena.

Dia hanjaka aminao ilay tia tsy voajery.
Hiainanao koa ny tia fa tsy tiana rehefa injay ianao irery.
Ho tsaroanao indray ny asa-soratro hehetra nitanisa ny hatsaranao.
Aza mino koa hoe ozonako izao.

Zay LAFATRA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1196 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 30/04/2019 09:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101