You are here: home > Vetso

FANOMEZANA - Zay LAFATRA

FANOMEZANA

Efa nokatsahiko izay lafatra,
nataoko izay mety!
Ka hapitaiko ilay hafatra,
ho any aminao vetivety.

Fa izaho tsy manana harena,
mihoatra lavitra noho ianao!
na vatosoa,volamena,
mbola tsy hananako amizao.

fa ny tena tsara indrindra,
mba hataoko fanomezana.
dia ilay tononkalo tsara rindra,
sy voninkazo iray fehezana.

Fanomezana izy ity ry tsy olo-norinory!
na mitsaika an-tani-maina,
tsy hapanino ahy akory.

Ity ange iky no mba ananako!
Talenta tany ho any,
no sady asan'ity tanako.

ka raiso apitsikiana,
dia valio ao am-po,
fa ny tia azy ity no tena tia tokoa.

23/03/17

Zay_LAFATRA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha