HERI-PO MANGINA (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy resy aho akory,
fa mangina tsy miteny.
Ka ny fitiavanao esory,
Fa mamitaka ombieny.

Heri-po mangina ny ahy,
fa tsy midika hoe resy,
ka hanaovanao sahisahy,
ka hibedibedy olon-kendry!

Ny ahy anie heri-po mangiana,
mbola miandry fandresena,
sy hahanan'olo-tiana,
ary hikatsaka harena.

Sady ahoanao inonona moa?
izay zavatra miafina ,
kobonon'ity foko,
na mora io na sarotra,
na faly na toloko?

Heri-po ny ahy,
ka hangina tsy hihanto,
ho gina lava reny,
anefa manolotra ny kanto,
ho anao irery ombieny.

Heri-po tokoa ny ahy,
ka hangina tsy hilaza,
izay zavatra ao anaty,
na hakahia ahy aza!
ka haharofy hahafaty!

Dia aleoko mangina hatrany,
fa izay no fahendrena,
amin'ny fiainana eto an-tany,
izay tia manendry tena.

Heri-po ny ahy ry sakaiza,
ary tsy diso tafahoatra.
fa tsy haiko hoe lasa aiza?
Ilay fitia tapitr'ohatra.

Ka hangina lalan-dava,
ilay fo pitomany,(anao)
toy ny zaza mena vava,
mitomany vato mamy.

26/08/17

Zay_LAFATRA
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Alahelo - Fitiavana
984 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 30/08/2018 08:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141