You are here: home > Vetso

HOROY AHO - Zay LAFATRA



Fantatrao tsara,
Izay tiako hambara
Eny na fijery,
Dia nanosika ahy hanery...
Hilaza zavatra ambony,
Mitohetra tsy mitony,
Any anatiko any,
Dia ilay fitiavana izany.

Ka aborako izy anio
miangavy aho valio,
fa tiko loatra ianao,
tena tiko tsotra izao...
tiko rehetra rehetra
manotolo tsisy fetra,
eny hatrany anaty,
dia hitia mandramaty.

tsy teny imolotra,
fa teny tsara tolotra,
vokatry ny foko,
niavosan-toloko.

Fa raha eny no eny,
dia ny tsia tsy fiteny,
aty amiko mantsy saho...!
raha tia enao dia horoy aho.
    
18 octobre 2016

Zay LAFATRA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha