You are here: home > Vetso

KITROKA SY RAHONA MAINTY - Zay LAFATRA


Iny rahona eny ambony,
be hadiry sy matevina.
Rahona mainty feno lony,
nam-pijaly tsy nibanjina.

Ny masoandro tsy mihiratra,
ka takon-drahona ny tany.
Mitsolafaka eny an-tatatra,
ilay olo-tiako mitomany.

Ka mijaly sy maratra,
Ao anaty haizina mangina.
Midobodoboka ao an-tratra,
ilay fo feno hakiviana.

Ka mitady ilay fanilo,
mba hitsolovana ny lalana,
Efa latsaka ilay îlo,
F'ity kitroka tsy namana.

15 mai 2015.

ZayLAFATRA

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha