You are here: home > Vetso

Ratran'ny fitia - Zay LAFATRA

Azo vakiana?


Ianao ve ry tovovavy,
Dia ho hatsatra manavy,
Ny ratrany fitia?
Hivangongon-dranomaso,
Ny fitia feno akaso,
Tsy ho tapitra doria!

Hitomany anaty haizina,
Toy ny olona nifaizina,
Any am-ponja ireny!
Ho mainti-nalahelo,
Sy hitrotro-delo,
Ao anaty heniheny!

Hanjombonjombon-dava,
Toy ny zaza mena vava,
marary lalandava!
Mibarareoka tomany,
Izany no lahasany,
Sy fandriandriandava!

Ka ho very tsy nahy,
Hatramin'ny fanahy,
Noho ny famoiza-tena!
Dia nilaozanao sahady,
Ilay fo feno ady,
Tao anaty fanekena!

Aoka izay!aoka izay ny hakiviana,
fa mba soloy hafaliana,
Ireo sento sy toloko!
Fa mandratra ahy koa,
ny alahelonao leroa,
Ka lasa hovitry ny foko!

Ilay alahelo midadasika,
Mivangongo toy ny fasika,
Eny amoron-dranomasina!
Toy ny lanitra iny manga,
Ny alahelonao angamba,
Ry tovovavy masina!

Ka etsy ianao tatanako,
Mieteza ianao malako,
Avia eto an-tsandriko,avia!
Dia fafao ny ranomaso ny ratran'ny fitia!

27/10/2016
               Zay_LAFATRA

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha