TIA AHO! (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA AHO!

Tia aho satria mendrika ianao.
Maharavo izany saiko ilay endrikao,
fa ny bika na fitafy kanto tena tsara.
Zipo lava hatreny akitro sy ny bikanao gitara.

Tia aho satria ianao ilay masoandro,
panazava ny androm-piainako isak'isanandro!
Na ny masonao aza anie tara-bolana feno manana.
Ka mahatonga ahy hanatona sy handray anao ho namana.

Lasa tia aho satria velo-panatenana!
Tamin'ilay topi-masonao nimbanjina tsy tana.
Toy niresakaka isika na tao aneritreritra.
Fa ny fidoboky ny foko toy ny afo midonaka firehitra.

Lasa tia aho satria raha vao mifanena isika,
dia tsy tanako ny masoko raha tsy mijery anao ry ilay tsisy tomika.
Tsy hikipy mihitsy io raha mbola ianao mandalo.
satria tia aho ka tsy mapaninona ahy ianao mihalohalo.

Tia aho satria misy rivotra mitsoka avy any avaratra!
Mitondra hanitra mamerovero sy mapisava izany ratra.
Tretrika aho fa tia,tia anao ry apela!
Tsy vao anio akory izany fa efa hatramin'ny ela.

Tia aho satria tsotra loatra indry!
Tia anao aho ka lasa naka fy!
Raha ianao angamba no tia ahy!
Tsy haiko izay lazaiko,asa fotsiny ry lahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1609 1
Mpakafy: nagaoka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 18/07/2017 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319