TSAROANAO VE? (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROANAO VE?

Moa ve iky mba tsaroanao,
ireo zavatra nataoko tamin'ny nahalako anao?
Tsaroanao ve?iny izaho teny foana,
nanaramaso anao toa manao baiko moana.

Intsony anefa aho,intsony tsy nahazaka,
ka nanatona anao ity foko lalipaka.
toa hisamboaravora ilay hevitry ny saiko,
fa ny foko no tsy mety raha tsy mitia anao sombinaiko.

Tsaroako tamin'izay ilay ianao mihasihasy,
teo ambaravara-kelin-dakilasy!
Mamadika "chahier" tononkira tsara rindra,
toa nitendritendry lira ilay foko tsy mifindra.

Tsaroanao ve?ilay tononkalo kely,
natolotro anao teo ambaravara-kely,
fa mendrika ianao no tsara tefy lavorary,
nahay ny nanamboatra anao fa indrindra Zanahary.

Tsaroanao ve aky?ilay "chahier" tononkalo,
taolam-balo-pahatsiarovana feno kalokalo.
Nomeko anao mantsy ireny,eny avy am-po.
Raha mba tsaroana androany dia izaho tena tia tokoa.

Tsy miova aho!
tsy miova aho!
fa moa ve tsaroanao?
fa ianao irery ihany no tiako hatramin'izao.

20 septembre 2017

Zay_LAFATRA
--------
Rohy:
1198 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : nagaoka
Daty : 03/06/2018 06:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106