You are here: home > Vetso

TSY AMBARAKO - Zay LAFATRA


Tsy ambarako aminao intsony,
ilay fitia ato anatiko,
na pahana ny fony,
hihaino ireo tsy tantiko.

tsy haborako aminao,
ilay tsiky niatsampy,
nasetriko ho anao,
fa mimontitra dia ampy
tsy hitiavanao ahy.

tsy ho tantaraiko koa,
ny gando-kira akafiziko,
na kanto io na ho soa,
na valiha no fitendriko
mampionona ny foko,
tsy ambarako dia ampy.

Na ny tranokalako vaovao,
Andrariako ny asa soratro,
tsy hambarako anao,
Koboniko ka fatorako,
Amin'izay tsy ho fantatrao.

Zay lafatra

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha