Mangina ialahy ry foko (zazah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina ialahy ry foko,
fa tsy misy hatoriako.
Efa be ny fijaliako
k'aza ampian'ialahy intsony.
Avelao aho hatory,
fa izay no mba itoviako
amin'ny olona ambony.
Sady tsy ny fokofokon'ialahy akory
no hamadika ny fony
ho tia ahy indray.
Aoka izay,
fa mankahia ahy.

Dia aoka ho fantatr'ialahy,
fa ny fon-dehilahy,
tsy mba mahazo mitomany,
n'inona n'inona antony.
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : zazah
Nampiditra : zazah15
Daty : 16/09/2014 08:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141