LASA ILAY MPAMORON-KIRA (ZOZORO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA ILAY MPAMORON-KIRA

Manjombon-takariva ilay diavolam-pararano,
Mangina samirery ilay farihy manganohano.
Ory, fa nilaozan'ilay taratra.

Ilay kintana namiratra natao ho doria,
Ilay voninkazo manitra namelana tety,
Indrisy, fa nilofika sahady.

Nangina ilay valiha, voatahiry an-dakira,
Nikimpy koa ny masonao r'ilay Mpamoron-kira.
Veloma indrindra, ary mandria am-piadanana.

Izany moa no eto,
Tsy misy izay maharitra,
Tsy misy ny mateza,
Ilay bika soa mamiratra,
Harena, voninahitra
Handalo sy hilefa.

Izany no lalàna
Tsy azonao hialana,
Tsy maintsy izorana eto an-tany
Na faly, na tomany.

Na tapitra aza anefa ny fetrany eto an-tany,
Ny hafatra napetrany tsaroako hatrany hatrany :
Misaina aloha, alohan'ny hitenenana.

Mangina ilay valiha voatahiry an-dakira,
Mikimpy koa ny masonao r'ilay Mpamoron-kira.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1437 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116