Raivo mahantra (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raivo a!
Mitraka aky a !
Mitraka dia ahirato izato masonao izany havako izany
Maneke fa tsy azo lavina ny setrasetran'ny eto an-tany
Tsy azon-dry toherina na ankika na antso avo
fa mbola olon-dresy foana indry raha mbola mavomavo.

Raivo a!

Ireo ve te ahalala fa raha iny zanak'indry iny
Ilay vao efa-taonao monja, bodo kely tsisy tsiny
Ilay fahasambarana ho an-dry nantenaina tsy ho tola
Tsy naleony ve very aina toa izay tsy ahazo vola !...

Tsy manana indry, eny tsy mba mpanakarena
Ka navelany teo andalatsara eny tsisy mpahonena
Ny manodidina an-dry olon-dresy tsy hafa-mihaotra
Fa manongo-bolo miatso vonjy amin'ilay Ray any akoatra.

Raivo a!

Tsy manam-bola indry ka nikimpy ity zaza
Tsy nahazo fitsaboana, fa tsy mendrika...sahaza
Naleon'ireo mpitsabo mikarakara ny mpanakarena
Fa i Zo kelinao zanak'olo-tsy andavoamena.

Raivo a!

Lasa izy... tsisy fofonaina intsony
Ny haretiny ny jaliny, efa foana, noadonoiny
Nefa fihino mafy farany izy ho marik' ilay fitiavana sahaza
Fa misy reny tena tia na dia mahantra aza.

Raivo a !

Mionona retsy a!
--------
Rohy:
2054 0
Hevitra mandeha
Tefigasy ( 17/02/2012 06:27)
Raivo mpanota ve ...ireo miseho azy ho mpivavaka mantsy .... aoka ihany fa ndrao halanao aho !
nyratsima ( 20/02/2012 09:24)
Indrisy mantsy !!!
Zozoro ( 20/02/2012 22:18)
Tena zava-nisy io ary tao Befelatanana tao no nisehony ,tena zava-misy marina dia marina tokoa fa tsy lainga .
(nanao vacances tany Mcar aho tamin'ny noêl, alina ny andro, naneno ny finday ...niantso vonjy Raivo... nitady fanampina...nanao izay tratry ny mety aho... saingy indrisy...tara loatra aho...tena tara...tara tokoa fa ilay taxi nitondra lany lasantsy teny an-dalana dia nofaranana tamin'ny dia tongotra, tara aho... )
Tsy gratuit ny fitsabona ao fa izay manam-bola dia voatsabo amin'izao fotoana izao fa ny tsy manana dia miandry izay fihafarany... aina ...fahafatesana.. Ary tena i Raivo no anarana entiny, fiantsona azy ry Tefigasy (fifanojon-javatra @ tantaran'i Jaona sy Raivo mpanonta ve?
an an i kala Raivo namako lazaiko eto dia mpananontena, maty vady, vao roa taona izay, namela zaza telo, ny farany i Zo kely , zaza efa-taona dia iny lasa any amin'ny varo tsy mifody iny noho ny etraketrakin'ny fiainana fa tsy nahazo fitsabona noho ny tsy fisiam-bola teo an-tanana...
Raha mba fantatrareo mantsy ny noeliko niharaka tamin'i Raivo telo mianaka...eto aho dia sahy miteny hoe : " ankalahao aho raha izay no fantatrareo fa mety fa izaho tsy maintsy hikiaka hoe : TSY RARINY INTSONY !!! AINA = VOLA! AIZA NY MAHA MALAGASY ! VOAOZONA VE ISIKA MALAGASY !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112