SOA... (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOA...

Soa fa nisy ianao ry vetso ka nanan'elatra eny lahy,
Ka nivadika ho teny, soratra, aingam-panahy,
Ka mampita any ho any ireo izay mba tiana hiantefa
Amin'ireo maminy indrindra ny nofinofy, tarigetra...

Soa nisy anao ry volana fiandrandran'ny rehetra
Na ny sambatra eny izany na ny mahantra manjoretra,
Ao koa ireo te hanamafy ny dina izay natao
Indrindra moa ireo kamboty...moa tsy ianao no jirony ao ?

Izaho misaotra anao ry vetso fa ianao no fampitàna
Izay mba tiako isambarana amin'ilay tiako any an-tanàna,
Izaho misaotra anao ry volana toerana tsy misy fetra
Fa ianao tsy mba manavaka ny volokodotray rehetra.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
1980 2
Hevitra mandeha
benasy ( 29/05/2009 10:25)
Io volana io mantsy.... Izy dia izy irery ihany no hitantsika ety, fa ao ambadika ao.... feno misitery !
raozigasy ( 29/05/2009 11:23)
ILAY VOLANA

Ilay volana hitantsika,
tsinana sy fenomanana
Dia sinto-maso iray midika,
fa misy zavatra ikambanana

Ilay volana fijery,
rehefa lasana vinany
Dia mifono misitery,
mitondra lavitra any ho any

Ilay volana tomaratra,
ilay loloham-panazava
Dia tsidik’herinaratra,
mampisinda alo-tava

Ilay volana baliaka,
jeren’izao tontolo izao
No rohy mampisera antsika,
am-betsovetso toy izao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01