TSIKY NISERANA (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY

Moa ve ho tsiky miserana ihany ary ho segondran'ny fahasambarako
Ka hamerina ny androko lasa mirakitra irony tantarako ?
Moa ho bitsika malemilemy mikalon'ny hiran'ny foko
Fa toa tsapako manenika ahy ity fitiavana kanto misoko ?

Moa ve hiserana ihany ka ho lasa tsy ho hitako intsony
Ilay endrik'ilay mpanome irony fijeriny irony ?
Ka mampijajirika foana handinika ilay vao niseho
Toa tsy hafa namindra aho handao, handao ilay toerako teo.

Fa toa hoatrin'ny hitako ihany ilay maso madio sy masoandro
Ilay tsiky toa manaraka ahy, toa mitaratra ahy isan'andro
Tsy miala eo imasoko mihintsy na taiza na taiza izany
Na andro na alina koa toa hitako foana hatrany.

Ny alina ve ho lazaina ? Atambatro tsy analako
Ny andro toa feno hira injany fa reko manako
Ny kalon'ny fo te-hitia mirindra sy mahasondrina
Satriko ihany aminany izay andro hifalifalina.

Mikimpy kanefa ny maso ka mandry ny fo sy fanahy
ilay tsiky niserana indray no nofiko nandrotsy ahy
Mbola niserana koa, segondra no nananana azy
Miatsaambotra foana sy taitra ny fo renodrenoka ho azy.

Fa olona mantsy aho ka ory, rah'ory aho anefa mazana
Ilay tsiky niserana ihany no iriko mba ho zahana
Ao anatin'ny ratra rehetra kofohin'ny sento tomany
Ka hah'vao mihiratra kely dia faly aho, faly aoka izany.

Fa amiko ilay tsiky teo dia hiran'ny fo te-hiray.
Banga ny toera-nialana, kanefa ho sambatra indray
Ny toera-nangina sy ory dia handrombona fa tsy ho lao
Dia ny ankany tavela ao am-poko nangina hatramin'izay.

Fa amiko ilay tsiky teo dia fo te-hiaraka hatrany
Hiaraka doria doria, hamerina indray avy any
Amin'ny tanin'ny fiainana foana, ny andro tsy ho arahan-tsetra
Fo te-hiantsampy amin'ny foko, hitambatra tsy misy fetra.

Zozoro
--------
Rohy:
1328 2
Mpakafy: Zozoro - benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 16/02/2009 09:43)
Mpanao sary hosodoko ianao é ?
jjari ( 17/02/2009 22:31)
kanto sady voakaly ny haisoratra, mankasitraka, mahay ny mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143