You are here: home > Vetso

Hevitra mikasika ny Tsiky dia ampy

Nampiditra : fiaritiana
28/05/2006 23:17:09

Tsiky dé ampy! tsara be

Nampiditra : toetra
02/06/2006 23:10:49

Tsiky dia ampy
Toa vatolampy
Aron'ny aina;

Sy hampijoro
'Zay mila hikoro
Sy monamonaina !

Mirary soa ho an'i Hery

Nampiditra : ANARIM
07/06/2006 11:01:49

Tsiky ve dia ampy
Raha manetoka ny fery
ka ty masoko mijery
menamenan-dranomaso ?

Tsiky ve dia ampy
Raha tsy to ny famololony
f’ilay fitiavana natolony
nosomparan’ny ankaso ?

Eny ary, hitsiky aho !
Hanantena famonjena
Avy amin’ny tsikinao


hery sy lanto : efa ela be ono d zay vo avokany ato ô nefa tsara b otran'io! dain kou ty nareo!

Nampiditra : hery
07/06/2006 11:55:50

Anarim> ka efa very io taloha dia izay vao hita indray :-)
Fa an'i lanto io taloha dia nampiako sasany...

Nampiditra : tisera
10/06/2006 18:37:36

eto am-pitsikiana
no namakiana
ny tonon-kalo mampitsiky
dia misaotra é!

Nampiditra : Aino
11/06/2006 12:25:33

tsiky de ampy
marina ny anao!!!

Tsiky tsy miala
Na be mpanadala
Tsiky mahatanty

Nampiditra : ama
24/10/2006 08:49:37

ilaina ny tsiky
satria mampidify
ny ngidiny fiainana
ratsisy hitarainana

Merci e milay b l izy fa tohizo foana

Nampiditra : Sara
14/09/2007 12:03:58

Tsiky maraina
tsy mampitaraina
mampitony ny fo

tsiky no ilaina
mameno ny saina
ho faly kokoa

Sara : tohizo Hery a, tsara be

Nampiditra : chrislyd2
26/06/2009 11:06:17

Kanto ny lahatsoratra satria nahoana.............???
Satria : mampitsikitsiky vao maraina !!!

Nampiditra : nyratsima
18/07/2009 20:33:33

Hitsiky aho na de sorena
hitsiky aho na de onena
hitsiky aho satria harena
hitsiky ,handray ny famonjena
misaotra e !

Nampiditra : blanco
30/12/2010 14:26:44

NY TSIKY tokoa mantsy no aretina tena mora mifindra indrindra

Nampiditra : famoha
16/06/2016 17:31:12

Tsiky?Marina izany

Fa tsiky no ilaina
Mba tsy hampitaraina
@fiaina-mavany

Tsiky no atolotra
Ataovy @molotra
Hampifaly ahy hatrany

Tsiky omena
Ireo mahonena
Mba hitrakany

Dia ny tsikin'ny fiainana no hampiray
Dia hamefy ny Nosy hitambatra ho iray
M/sy iray ihany ka hitsikiko hatrany

Mirary ny soa ho an'i Hery.Dia mba tohano izahay.Mankasitraka.

Nampiditra : hery
17/06/2016 01:08:46

Misaotra e