fiainana vaovao (Rangotra Voavitrana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiainana vaovao,

Mifona ianao androany,
Hifona koa rahampitso,
Amin'ny heloka iray,
Angamba tsy ho hay,
Eny koa tsy ho diso,
Fa teny tsotra ihany
No mety ho azonao:
"Tohizo izay nahazatra,"
Aza akory mianotra
Mahaiza aloha mihanoka
Fa ny famonjena tsy ho lasa
Mety miandry hatrany anao.

Fotsiny, raha anio ilay fotoana
Izay hanondroana anao,
Hiala eto an-tany,
Ho any lavitra any.
Akory tsy ilay fiainana vaovao
Fa rondron'afo miraondraona
No lapa miandry anao.

Ka saino izay ho diavina
Mananà koa finiavana
Raha vonona ny hiova
Hikaroka fiainana ho lova.

Rangotra
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
1079 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143